rencontre regional

« Tsy mihemotra ny fonay, ary tsy miala amin’ny lalanao ny dianay. »   Salamo 44 :18

Ry Hava-malala ao @ Tompo,

Fo feno fitiavana no entinay miarahaba anareo rehetra tratry ny taona vaovao 2010.
Jesosy Kristy ilay efa tia sy niantso antsika rehetra anie hiara-dalana @ tsika @ ity taona ka handrotsaka ny fahasoavany manana amby ampy mba tsy hahatonga antsika hierikerika eo am-panompoana Azy . Izy koa anie hampitombo finoana sy hampahery antsika ka hampazoto antsika hanao ny sitrapony sy hijoro vavolombelona mandrakariva eo @ fiainan-tsika.

Araka ny tapa-tsika tany Viviers t@ 2008 dia izahay eto Avignon no handray ny Zaikaben’ny FAA @ ity taona ity , koa dia am-panetrehan-tena lehibe no hikarakaranay izany. Tsy miafina @ nareo anefa fa mbola azo lazaina fa miana-mandeha ihany izahay , koa hialana tsiny indrindra , Tompoko, raha betsaka ny fitavozavozana sy ny fahatarana eo @ fanomanana izany.

Noho ny antony eo @ toerana handraisana dia voatery hatao ny 13 sy 14 febroary 2010 ny fihaonan-tsika ; koa satria efa tena antomotra dia antomotra izany fotoana izany dia noferana ho hatramin’ny 31 janoary ny fe-potoana hisoratana anarana.

Mba hahafahan-tsika manatanteraka izany dia indro misy fanazavana vitsivitsy homena :

- ny toerana hanaovana ny Zaikabe dia ao @ Lycée Agricole Carpentras « Louis Giraud » : misy amphithéatre lehibe afaka hivoriana sy hanaovana ny fotoampivavahana sy salle de réunion hanaovana ny ateliers ary koa restaurant

- ny saran-dasy dia :

Fotoana fahatongavana Olon-dehibe Ankizy < 12 ans Ankizy < 5 ans

Sabotsy maraina 50 euros 35 euros Gratuit ny sakafo fa 8,15 euros raha maka fandriana iray
Sabotsy hariva na alahady 45 euros 30 euros Gratuit ny sakafo fa 8,15 euros raha maka fandriana iray

Koa raha io tabilao io no jerena dia tsara raha soritana mazava @ fisoratana anarana ny isan’ny olon-dehibe , ny ankizy latsakin’ny 12 taona sy ny ankizy latsakin »ny 5 taona , ny ankizy < 5 taona haka fandriana iray , ny fotoana hatongavana

- ny fisoratana anarana dia alefa @ adiresy : nvh_24@hotmail.fr ( Nivo Razafindramboa) , ary noho ny toerana voafetra ho 287 ihany dia izay olona mahafeno io isa io voalohany no ekena ary rehefa dila ny fe-potoana 31 janoary dia mikatona ny fisoratana anarana mba hahafahana manao ny fanomanana rehetra

- raha misy mila fanazavana manokana dia afaka miantso ny 09 54 03 90 75 na 06 27 94 37 51 (Nivo) na 06 29 09 59 87 (Dimby)

Raisina an-tanan-droa raha misy tolon-kevitra hanatsarana ny fihaonan-tsika.

Hery lehibe ho anay eto Avignon ny fahatongavanareo rehetra ary dia aoka mba samy hitondra am-bavaka ny fotoana satria  » Raha tsy Jehovah no manao ny trano, dia miasa foana ny mpanao azy. Raha tsy Jehovah no miambina ny tanàna, dia miari-tory foana ny mpiambina. » Salamo 127:1

Hanjaka @ nareo anie ny fitiavana hombam-piadanana avy @ Andriamanitra Ray , Zanaka ary Fanahy Masina.

Nivo sy Dimby RAZAFINDRAMBOA
116, avenue de Tarascon   E 14
84000 AVIGNON