Manambara ny finoantsika an’i Jesoa Kristy isika / dia araka ny tenin’i Jaona Mpanao Batisa hoe / “Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra / Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao” (Jao. 1 : 29) / Sy araka ny teny nataon’i Andrea hoe / “Efa nahita ny Mesia izahay” (Jao. 1 : 41) / Sy araka ny teny nataon’ny Samaritana hoe / “Ny tenanay no nandre, ka fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao”  (Jao. 4 : 42) / Sy araka ny teny nataon’i Petera hoe / “Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra velona” (Mat. 16 : 16) / “Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay” (Jao. 6 : 68) / Ary araka ny teny nataon’i Tomasy hoe : “Tompoko sy Andriamanitro” (Jao. 20 : 28) Amena.